Actualités

Delestazy Tsy voafehy intsony !


  • Alakamisy 27 Oktobra 2011

Ho maizina tanteraka Antananarivo ! Izay no ho lojikan’ity fahatapahan-jiro lava ity, saingy tsy sahy milaza izany ny Jirama.

 Antony voalohany, mihena ny rano afaka manondraka ny toeram-panodinana na «centrale hydraulique» etsy Andekaleka noho ny fahatongavan’ny maintany. Isan-taona io saingy azo hitadiavana vahaolana hafa toy ny fandatsahana orana artifisialy na koa fampiasana solika. Eo indrindra no mipetraka ny olana. Tsy misy manome solika ny Jirama ny mpandraharaha eo amin’io sehatra io rehefa tsy voaloa ara-dalàna ny volan’izy ireo. Dia izao ny vokany. Maizina ny tanàna. Omaly fotsiny, ohatra, dia efa nanomboka tamin’ny mitaovovonana ny fahatapahan-jiro tamin’ny faritra maro teto an-drenivohitra. Niverina izany ny hariva.

Maro ireo indostria no nitaraina vokatr’izany satria tsy nihodina ny asan’izy ireo. Ireo amin’ny sehatry ny sakafo ihany koa dia maro no nilaza ho voa mafy satria simba ny sakafo tehirizina noho ny tsy fahafahan’ny vata fampangatsiahana mihodina. Ny zava-misy anefa dia mainka koa hihamafy izao fahatapahan-jiro tsy misy vahaolana izao. Tsy hihodina intsony mantsy ny «centrale» atsy ho atsy noho ny tsy fisian’ny orana afaka manodina azy. Ny solika rahateo efa tsy misy mety manome intsony. Dia asa indray izay fahagagana hataon’ny FAT izay hita koa fa lany hevitra momba ity resaka Jirama izay mampitaraina ny maro ity.

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT