Actualités

Delestazy Niharihary tao an-dapa omaly ny mbola fisiany


  • Zoma 24 Febroary 2012

Vao tapitra ora iray teo ho eo ny tenin’ny minisitry ny angovo ao amin’ny governemantan’ny Praiminisitra Beriziky Omer, Atoa Razafindroariaka Nestor nilaza fa tsy hisy intsony eto Antananarivo izany Delestazy izany satria efa nakana fepetra fahamaizana ny nametrahana eto gropy manana tanjaka 42 MGW, dia nahariharin’ny fahatapahan-jiro tao an-dapa niaraka tamin’ny teto an-tanànan’Antananarivo iray manontolo fa mbola nisy izany omaly.

 Vavolombelon’izany ny Praiministra sy ireo minisitra namany ary ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita notarihan’ny filohany sy ireo birao maharitra ao aminy. Nambaran’ity minisitry ny angovo ity fa efa misy ny “Plan d’action” atao any amin’ny tanàn-dehibe rehetra eto amin’ny Nosy hiarahana amin’ireo tsy miankina. Any Nosy be Hellville dia nambarany fa hananganana gropy manana tanjaka 1600 KVA ato ho ato ary hatramin’ny faran’ny taona dia hisy ny Centrales vaovao ho azo ka “centres” miisa 113 manerana ny Nosy no voakasik’izany. Hatreto aloha i Mahajanga dia efa nomena 4 MGW ary Antsiranana 5 MGW. Nampahafantarin’Atoa minisitra koa fa ny 70%-n’ny famokaran-jiro eto amintsika dia mbola “thermique” avokoa ka ny 80% dia hery manosika avy amin’ny solika avokoa. Tsy maintsy mieritreritra politika maharitra sy lavitra ezaka isika, hoy ny minisitra Razafindroariaka Nestor ka hanova ny “thermique” ho angovo azo havaozina (rano, rivotra, masoandro).

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT