Betsaka ny olona no nimenomenona tamin’ny nafitsoky ny Jirama noho ny fahatapahan-jiro afak’omaly ary mbola nitohy hatry ny omaly.
Araka ny voalazan’ny Tale jeneralin’ny Jirama, Rasidy Désiré dia olana ara-tsolika no nahatonga izany. Nilaza mantsy izy fa tsy tonga ara-potoana solika omen’ny orinasa azy ireo ka tsy ampy nampihodinana ny masinina mamokatra ny herinaratra ampiasaina eto an-drenivohitra. Nohazavainy tamin’izany fa manodidina ny 200.000 litatra isan’andro no ilaina eo anivon’ity orinasa ity ho an’ny famokarana herinaratra eto an-drenivohitra. Izany hoe mila solika sivy kamiao eo isan’andro ny Jirama vao mandeha tsy misy tomika ny famokarana herinaratra. Ny nahavariana tamin’ity fanazavana ity dia ny hoe f’angaha moa izany raha indray andro no tsy tonga ny solika dia efa misy fiantraikany eo no ho eo sahady amin’ny famokarana ? Tsy misy ve ny tahirin-tsolika eo anivon’ity orinasa ity mba hitsinjovana ny olana tahaka izao ? Mety ho ny fitantanana no tsy mety eo anivon’ny Jirama ka mila mandray fepetra na na mety ho antony hafa mihitsy tahaka ny olana ara-bola ohatra, no mahatonga ity delestazy isan’andro ity fa fialana bala no betsaka. Tsy maintsy hipoitra ihany ny marina na ho ela na ho haingana.
Mohamed
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.