Tsy tongatonga ho azy fa misy antony mazava ny fiverenan’ny delestazy eto Antananarivo sy ny manodidina sy any amin’ny faritra hafa manerana ny Nosy.
Araka ny tsiliantsofina re, maro loatra ireo olana miara-mitranga ao amin’ny Jirama ao. Ny fanjakana, ohatra, dia tsy mahaloa vidin-jiro sy rano izay efa amina miliara ariary maromaro. Araka ny resaka mivoaka avy ao amin’ny Jirama ihany koa dia misy ireo orinasa maromaro manao «intervention» amin’ny mpitondra ambony mba tsy handoa jiro sy rano na manao risoriso amin’ny fandoavana ny sazy. Raha ny marina, ny vidin-jiro dia tokony hakarina satria mivarotra fatiantoka ny Jirama. Tsy neken'ny fanjakana moa izany satria mety hiteraka olana ara-tsosialy goavana, ny olona rahateo efa sahirana. Azo atao tsara anefa ny mitady famatsiam-bola avy any ivelany hanentsemana ny banga, saingy tsy afaka manao izany ny FAT satria tsy eken’izao tontolo izao. Etsy ankilan’izay, ny FAT dia mbola maka vola ihany koa ao anatin'ny kitapom-bolan'ny Jirama.
Efa nivoaka tamin’ny gazety maro teto an-drenivohitra ihany koa fandaniam-bola mihoa-pampana ataon’ny mpiahy ny Jirama. Ny afera madinidinika sy ny halatra ataon'ny mpiasa manginy fotsiny. Araka ny fantatra ihany, amin'izao fotoana izao dia manomboka malaina manome gazoala ny Jirama ireo orinasan-tsolika sasany eto amintsika noho ny olana ara-bola. Efa nisy ihany ny fifanarahana sy fifandaminana natao saingy efa be loatra ny trosa. Manampy trotraka izany ny tsy fahampian'ny rano any Andekaleka, Mandraka, Antelomita ary Manandona ka mampihena ny herinaratra vokatra. Ireo mitambatra no mahatonga izao olana goavana izao. Ho hita eo ihany ny tohiny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.