Actualités

Delestazy eny Ankatso Hidina an-dalambe ny mpianatra raha


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Omaly dia niseho vahoaka mihitsy ny mpianatra teny Ankatso.

 Niantso mpanao gazety izy ireo ary nilaza fa basy atifi-kavana ny azy ireo ka tsy afenina fa arangaranga. Nilaza ireto mpianatra ireto fa raha mbola mitohy ny fahatapahan-jiro eny Ankatso dia handray fepetra hentitra izy ireo. Miandalana izany fepetra izany, araka ny voalazan'izy ireo. Ny fankanesana eny amin'ny ministera fitakiana ny fanesorana ny talen'ny CROUA no hanombohana azy. Tsy rariny intsony ny zava-misy, hoy ireo mpianatra satria na ao anatin'ny fotoam-panadinana aza dia tapaka ny jiro. Tsy vitan'izay fa miaritra fotsiny izy ireo amin'ny andavanandro fotoana fanaovana famerenana ny zava-bita any an-trano. Mahatsiaro mijaly ny mpianatra eny Ankatso ka izao mampitandrina izao.

Tsy mitsitsy tokoa ny Jirama amin'ity fanapahan-jiro ity ka heverina fa manana ny rariny ireto mpianatra ireto raha tsy misy ny fepetra hentitra raisin'ny tompon'andraikitra. Ny minisitry ny Angovo dia tsy olon-kafa fa mpiasan'ny Jirama ihany ary mahalala tsara ny ativilany amin'ity resaka delestazy tsy misy fiafarany ity. Re moa fa dia efa miverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra eny Ankatso ary ampidirina ho anisan’ny faritra saropady tsy tokony hotapahana ny jiro eny an-toerana.

Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT