Actualités

Daroka mpiasa teny Behoririka Nidoboka eny Antanimora ilay Sinoa


  • Zoma 25 Novambra 2011


 Omaly no natolotra ny Fampanoavana ilay teratany sinoa lahy iray nandratra ny mpiasany teny Behoririka. Tsy ela ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana fa minitra no nisaina dia avy hatrany nilatsaka ny fanapahan-kevitra fampidirana am-ponja vonjimaika azy. Eny Antanimora izy no nalefa. Fantatra ihany koa fa tamin'ny famotorana ity Sinoa dia niaiky izy fa nikasi-tanana ilay mpiasany noho ity farany izay nolazainy fa nangalatra entana tao aminy. Na izany aza, nisy hatrany ny mpisolovava ilay teratany sinoa. Ilay mpiasa naratra no nitory azy tamin'ity raharaha ity. Efa nivoaka ny hopitaly ity farany kanefa mbola nitaraina fa tsy salama tsara. Nolazainy fa hitsaka sy vono no nahazo azy tamin'ny talata io ka any amin'ny tratrany any no itarainany marary azy.
Solonirina

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT