Nanao tatitry ny asa vitany hatramin’ny fotoana nijorany ny CSC na Komity mpanara-maso ny tondrozotra omaly teny Antaninarenina. Fotoana koa io nitondran-dry Dr Rasolondraibe Péri fanazavana manoloana ny resaka mandeha fa hitsahatra amin’ny asany avokoa ireo andrim-panjakana rehetra ho an’ny tetezamita.
Nilaza izy ireo fa raha mbola mihatra ny tondrozotra dia miasa foana ny CSC. Tafiditra tamin’ny asa napetraka tamin’izy ireo koa ny mantsy ny fanaovana «monitoring» ny fifidianana sy ny fampitahana ny asa rehetra. Nizara 23 ny asa natao tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany ary 35 ny fihodinana faharoa, hoy ny CSC. Teo amin’ny lesoka kosa dia tsy nahenika an’i Madagasikara ny fampianarana ny olom-pirenena hampiasa ny biletà tokana tamin’ny fihodinana voalohany, nahitam-pivoarana anefa izany tamin’ny fihodinana faharoa. Tsy nisy afa-tsy fitoriana iray kosa no nalefan’ny CSC tany amin’ny SADC dia ny fanoloana sy fandravana ny mpikamban’ny CES voalohany izay natahorana hiteraka olana sy korontana ny vokatra avoakany. Mikasika ny fomba fiasan’ny CES vaovao dia tokony ho nohenoina avokoa ireo mpifanandrina nametraka fitoriana ka natao fanadihadiana. Nilaza anefa ny CSC fa niezaka nanao ny asany ny CENI-T sy CES ary niasa araka ny lalàna amin’ny maha andrim-panjakana azy.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.