Actualités

“Couronne” very Tsy mbola hita hatreto !


  • Talata 06 Desambra 2011

Hatramin’ny omaly hariva niantsoanay farany ny tomponandraikitry ny mpitandro ny filaminana dia tsy mbola nahitam-bokany aloha ny fikarohana ny satroboninahitry ny mpanjaka Ranavalona I.

 Na izany aza dia efa mandroso ny fanadihadiana raha araka ny fanazavana azo hatrany. Ireo mpiambina ihany aloha hatreto no tazomina ao amin’ny biraon’ny BC ary hadihadiana fatratra. Tsy mbola nahomby aloha hatreto izany ny fanomezana tambin-karama ho an’izay manome vaovao momba iny halatra satroboninahitra iny. Torak’izany ihany koa, tsy nahomby ny hoe tsy hatao na inona na inona ny jiolahy izay hanatitra azy ao anatin’ny fe-potoana iray andro (tapitra omaly tamin’ny valo maraina). Mbola tadiavina hatrany izany ny satroboninahitra ary mbola mipetraka ny tambin-karama 100 tapitrisa ariary. Anisan’ny lahadinika hodinihina sy handraisana fanapahan-kevitra mandritra ny filankevitry ny governemanta anio eny Mahazoarivo ny mikasika ny fahaverezan’ny “couronne” ity, araka ny nambaran’ny praiminisitra Beriziky raha tonga nijery ny zava-misy teny amin’ny Lapan’Andafiavaratra izy omaly tolakandro.
Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT