Constant Raveloson

> Fanjakana matanjaka sy marin-toerana no ilaina


  • Alarobia 11 Desambra 2013

Mitarika ny lisitra laharana faha-15 hofidiana depiote ao Antananarivo faha-5 i Constant Raveloson. Anisan’ny namaky lay ny hetsi-bahoaka izy raha vao niseho lany ny fanongam-panjakana 2009.

Nanazatra tsy tapaka ny mpiara-mitolona ihany koa hahay mijery mazava sy mitraka matanjaka, indrindra rehefa tojo ny sarotra sy ny hotakotaka izy ary mampita hafatra hoentin’ny vahoaka miatrika ady. “Contre-pepo” izany. Nitondra faisana tamin’ny nataon’ny mpandroba fanjakana i Madagasikara nandritra ny 5 taona. Fotoana hanasitranana an’izany amin’ny fomba demokratika izao ary manana ny anjara birikiko ho amin’izany aho, hoy i Constant. Maika amiko sy ny mpiray lisitra amiko, hoy ity farany, ny fanjakana handamina ny firenena ho marin-toerana ka sehatra hitanay fa hahavitana izany ny ao amin’ny fahefàna mpanao lalàna. Ny anay dia fanjakana no resaka amin’ny Prezidà Ravalomanana. Tonga nanotrona anay ny minisitra Ravatomanga Rolland rehefa nanao tomban’ezaky ny herinandro voalohan’ny fampielezan-kevitra izahay. Nambarany mazava fa “ny ahazoana depiote maro an’isa no tanjona mba hahamarin-toerana ny fitondrantsika”. Nambaran’ny minisitra am-pahibemaso fa manohana ary mampirisika tanteraka ny fandraisanay andraikitra ny filoha Marc Ravalomanana mivady. Nanamafy an’izany ny tolo-tanana avy amin’ny filoha Ravalomanana, toy ny fitaovana hampiasaina mandritra ny propagandy ary izy mihitsy no mandray fitenenana manolotra ahy mivantana. Satria ho depioten’i Madagasikara izahay ato anaty lisitra faha-15 rehefa homen’Antananarivo faha-5 ny fahefana. Tsotra be ny anay, hoy i Constant Raveloson : Prezidà = Jean Louis Robinson lah-33 ; Depiote = Jean Constant Raveloson lah-15.

RHR

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Rajoharison Félix na Rainidina
  • Alarobia 13 Mey 2026

"Tsy maintsy esorina

  • Christine Razanamahasoa
  • Alarobia 13 Mey 2026

Notendrena amina andraikitra

  • Raobelina Andry
  • Alarobia 13 Mey 2026

Aza omena ny CENI ny.....

  • FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANANA
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mangataka fihaonana tsy misy

  • Raharaha adina an-tsoratra
  • Alarobia 13 Mey 2026

tao amin’ny ENMG «Niaiky ny adisoana

  • Ravelonanosy Solomon Clovis
  • Alarobia 13 Mey 2026

«Zava-dehibe ny

Hijery ny tohiny
FTT