Actualités

«Conseil d’enquęte» Nihazakazahana natao


  • Alakamisy 26 Janoary 2012

Omaly no nahafantarana fa efa natao famotorana teo anivon’ny miaramila ireo voakasika tamin’ny raharaha BANI.

 Ny maro tamin’izy ireo no fantatra fa efa vita fihainoana. Anisan’ireo tsy mbola nahavita kosa, araka ny loharanom-baovao, ny kolonely Charles. Izy rahateo tsy eto an-toerana fa any ivelany mitsabo tena. Anisan’ny mahavariana amin’ity famotorana eo anivon’ny Tafika ity ny firosoan’izany haingana mihitsy. Mahagaga ihany mantsy raha ny eo anivon’ny Tafika indray no mialoha ny fanamelohana avy amin’ny Fitsarana. Ahiana ho misy ambadika ity resaka ity araka ny voazalan’ny vadin’ny sasany amin’ireo manamboninahitra voarohirohy ireo ny amin’ny fikasana handroaka tsy ho isan’ny miaramila intsony ny sasany amin’ireo manamboninahitra ireo. Hanahirana ihany raha izany no mitranga eto amin’ny firenena, hoy kosa ny manamboninahitra sasany izay andiany iray mihira amin’ny sasany amin’ireo voarohirohy.
Mohamed

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT