Club Développement et Ethique

> Mandrisika ny FFKM hanohy ny fampihavanam-pirenena


  • Alarobia 22 Janoary 2014

Raha noheverina hampilamina ny tontolo politika eto Madagasikara ny fifidianana filoham-pirenena sy ny namoahan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na CES vokatra sy ny lany tamin’izany, dia hita ho misamboaravoara be ihany ny toe-draharaha.

Misy ny faly fa tafita ny kandida notohanany, misy ary maro anefa no mitsipaka marindrano ny voka-pifidianana nambaran’ny CES. Etsy an-kilan’ireo koa anefa dia maro an’isa ireo Malagasy tsy tonga nifidy, noho ny antony samihafa, toy ny hoe tsy voasoratra tao anaty lisi-pifidianana izy. Tsy kandida nantenainy no isafidianana dia naleony tsy nandeha nifidy. Eo koa ny nanaovana ny fifidianana tao anaty fotoam-pahavaratra, manampy trotraka ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, indrindra tany ambanivolo izay tsy nahafahan’ny olona nandeha nifidy. Manoloana izany rehetra izany dia manahy ny Club Développement et Ethique (CDE) tamin’ny alalan’Atoa Albain Rabemananjara filohany sao asa very maina fotsiny ny nanaovana iny fifidianana iny. Tsy voahaja rahateo ny fangaraharan’ny fifidianana ary nisy fitanilana, dia izao misavorovoro izao ny toe-draharaha ary ahiana hifandrafy ny samy Malagasy. Na izany aza dia milaza ny CDE fa manaja ny didy navoakan’ny CES izy saingy kosa miantso ny FFKM hanohy ny fampihavanam-pirenena efa nirosoany, mba hahafahana miatrika ny tena fampandrosoam-pirenena amin’izay. Manahy mantsy ny CDE manoloana ny endrika fanilikilihana miseholany ankehitriny sao hitera-doza, ka vao mainka tsy hampisy fitoniana fa difotry ny adilahy politika ka mieriteritra na mibanjina akory ny lafiny fampandrosoana, ny ara-toekarena indrindra indrindra.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Filohan’ny fanavaozana
  • Zoma 05 Jona 2026

"…Azo henjehina ny mpikamban’ny

  • ClĂ©mence Raharinirina "
  • Zoma 05 Jona 2026

Ny mpanenjika misy foana,

  • ADY AMIN’NY KOLIKOLY
  • Zoma 05 Jona 2026

Tanora manana kolontsaina

  • METFP sy ny BIANCO
  • Zoma 05 Jona 2026

Hiara-hiasa hiadiana ny

Hijery ny tohiny
FTT