Actualités

CITIC sy Supręme Center Ny vahiny no lasa mifehy ny famatsiana


  • Zoma 27 Janoary 2012

Araka ny efa notaterina omaly teto dia nisaona ireo mpivarotra fitaovana elektronika ao amin’ny CITIC sy Supręme Center, omaly.

 Nisy ny sorabaventy mainty mampatsiahy ny zava-nanjo azy ireo, telo taona lasa izay. Samy nisalotra akanjo mainty misy soratra «Plus Jamais» koa ireo mpivarotra. Mbola nanantitrantitra ny Sekretera jeneralin’ny CREM izay tompona orinasa momba ny fitaovana elektronika voaroba tamin’ny 26 janoary 2009 ireny fa tsy nahazo onitra na fanalefahana hetra mihitsy izy ireo na maro aza ny fampanantenana nataon’ny mpitondra. Mahatratra 34,5 miliara ariary moa ny fatiantoka tamin’ireny voina ny 26 janoary 2009 ireny. Ny 60%-n’ireo tranombarotra potika miisa 120 ihany no niverina nisokatra indray. “Ny maro amin’ireo mba tafaverina niasa ireo anefa dia vahiny avokoa no tompony”, hoy Ratobisaona Rado.

Vokatr’iny fahapotehana goavana iny dia mihamarefo ny mpandraharaha Malagasy satria very teo am-pelatanan’izy ireo ny toerana nananany tamin’ny famatsiana entana. Raha Malagasy avokoa mantsy no namatsy ireo entam-barotra momba ny elektronika namidy tao amin’ny CITIC sy Suprême Center teo anelanelan’ny taona 2002-2008 dia 5 ka hatramin’ny 10% sisa izy ireo hatramin’ny “Alatsinainy Mainty” fa ny vahiny no manjaka. Tsy hipetra-potsiny anefa ireo mpandraharaha ireo fa mitaky latabatra boribory amin’ny mpitondra handraisana fanapahan-kevitra miaraka hampiroboroboana ity sehatra ity. Efa nalefa ny fanasana momba izany “raha tsy misy ny fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana dia handray ny andraikitray izahay saingy vahaolana aroso amin’izany fa tsy olana akory”, araka ny fanazavan-dRatobisaona Rado

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT