Actualités

CHU HJRA Nahazo toeram-pandraisana marary vaovao


  • Sabotsy 09 Novambra 2013


Ho famaranana ny fitsidihan’Atoa governoran’ny Distrika 9 220 Ravelonarivo Jean teto Madagasikara dia nitokana ilay toerana handraisana ireo olona mila fandidiana vokatry ny takaitra nateraky ny lefakozatra, sanganasan’ny Rotary Antananarivo Ainga. Nandritra izany no nanamafisana ny fanentanana ny rehetra izay nitondra takaitra vokatry ny lefakozatra mba hanatona ny toeram-pandidiana ka hahatonga azy ireo tsy ho vesatry ny fiarahamonina intsony. Ho fankalazana ny faha-6 taonan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Rotary Antananarivo Ainga sy ny CHU-HJRA mikasika ny fandraisana an-tanana ireo mitondra takaitra vokatry ny lefakozatra no hitokanana ny «Centre Polio» ny zoma 08 novambra maraina. Notokanana niaraka tamin’izany koa ny toerana fandraisana ireo marary avy aty ivelany vaovao ary nisy ihany koa ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny governoran’ny Distrika 9 220, ny talen’ny CHU-HJRA ary ny filohan’ny Rotary Antananarivo Ainga.

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT