Actualités

“Chčque carburant” Tsy mandray ny tobin-tsolika, sahirana ireo mpiasa mamita iraka


  • Zoma 13 Janoary 2012

Tojo fahasahiranana ankehitriny, ary dia velon-taraina ireo mpiasam-panjakana mamita iraka eto an-drenivohitra na ireo hamitaka iraka ivelan’Antananarivo, ka manao solika eto an-drenivohitra.

 . Tsy mety mandray “chèque carburant” na taratasin-tsolika avoakan’ny fanjakana intsony mantsy ny ankamaroan’ireo toby mpaninjara solika. Ny fiaram-panjakana anefa dia ny “chèque carburant” no akana solika ihetsehany fa tsy vola aloa tolo-botsotra loatra. Tsy raisin’ireo toby mpaninjara solika anefa ireo taratasin-tsolika na efa nisy fotoana nanazava sy nanome toky aza ny Tale jeneralin’ny tahirimbolam-panjakana fa efa azo antoka ny taratasin-tsolika miasa amin’izao fotoana, ka tsy ahiana hisy hosoka. Misy ihany anefa ny tranga, izay haratsian-toetra tsotra izao. Misy mantsy ireo mpiasam-panjakana sasany tonga manakalo vola ireny taratasin-tsolika ireny, amin’ny sandany ambany kokoa, ka aleon’ny tobin-tsolika sasany miditra amin’io lalana iray io toy izay hanome solika.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT