Tontosa tao Antsirabe ny sabotsy 08 febroary teo ny fivoriambe fanao isan-taona eo anivon’ny CGA na “Centre de Gestion Agréé” Vakinankaratra.
Mpandraharaha mpikambana maro no nandray anjara. Nambaran’ny Tale mpanatanteraky ny CGA fa nampitaraina ireo mpandraharaha ny fahenoana ny fisian’ilay tatao 5% amin’ny hetra alaina amin’izy ireo satria mety hiteraka sondro-bidy amin’ny vokatra avoakan’izy ireo. Tsy misy afa-tsy ny fanondrotana ny vidin’ny vokatra ihany mantsy no handoavana izany, hoy ity tompon’andraikitra ity. Eo indrindra no olana satria niaraha-nahalala fa nihena ny fahefa-mividin’ny vahoaka Malagasy tao anatin’izay krizy izay ary raha atao hoe hivaha ny krizy dia vao hanomboka hiarina ihany koa ny fiharian’ny mpandraharaha. Na izany aza dia nambarany aloha fa hatreto dia mbola velona ny CGA Vakinankaratra na dia efa niato aza ny famatsiam-bola. Marihina fa ny filoham-pirenena amin’izao fotoana dia anisan’ny nanangana CGA fony izy filohan’ny “Ordre des Experts Comptables” teto Madagasikara, ary ny rafitra ao Antsirabe no nisantatra ny CGA teto Madagasikara ary anisan’ireo tena filamatra.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.