Actualités

CEPE hafakely Teny an-tokotany no nanao fanadinana


  • Alarobia 06 Jolay 2016

Ivontoeram-panadinana telo samy hafa izay samy hiadidian- dramatoa Ramiantarivelo Lovasoa na ny ao amin’ny EPP sy CEG Avaradoha na ny ao amin’ny EPP Betongolo.

Raha ny fizotry ny fanadinana tao amin’ireto foibe ireto aloha dia nilamina na teo amin’ny fiantsoana anarana na ny fidirana tanaty efitrano fanadinana ka hatramin’ny fiafarany. Nisy anefa ny tranga hafakely tao. Tao amin’ny EPP Avaradoha, ohatra, dia nahitana zaza iray nandoa saingy afaka niverina niadina ihany rehefa nampisotroina rano mafana. Nahitana io tranga io koa tao Betongolo. Tsy fantatra na noho ny tahotra na noho ny tsy fasahiana hiera hivoaka fa dia nivalandrano tanaty patalohany ihany koa ny mpianatra iray tao amin’ny EPP Avaradoha ary dia tsy nety niditra tanaty efitra intsony fa nanohy ny fanadinany teny an-tokotany. Tamin’ireo mpiadina miisa 1 011 voasoratra anarana tao amin’ireto foibe ireto dia fantatra fa 12 no tsy tonga. Ny 10 tamin’ireo tsy fantatra ny antony fa ny 2 kosa dia nindaosin’ny fahafatesana.

Faralahimatoa     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT