Tsy misy atahorana ny mety hisian’ny fitokonana hataon’ny mpampianatra FRAM mandritra ny fanadinana CEPE hotanterahina ny talata ho avy izao ho an’Antananarivo Renivohitra,
hoy Rakotozafy Ramasy Harisoa, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra. Efa misy mantsy ireo mpampianatra mpisolo toerana, raha sanatria misy tsy tonga amin’io andron’ny talata io. Vonona hanatrika ny fanadinana rahateo ny mpampianatra rehetra, ho an’Antananarivo Renivohitra manokana. Nampahafantariny mialoha fa mety hisy fahatarany ny fivoahan’ny valim-panadinana CEPE amin’ity taona ity, raha oharina tamin’ny teo aloha, ka mety hitombo roa, na telo andro amboniny izany. Hampiasa karazana logiciel avo lenta hatrany koa ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena hanaovana ny fanitsiana, hoy hatrany izy. Mikasika ny mety ho fahasarotan’ny fipetraky ny fanontaniana any amin’ny fanadinana moa, ka tsy ho takatry ny sain’ny ankizy, dia nantitranteriny fa izay indrindra no antony nanaovana matetika ny fanadinana andrana, mba tsy hanahirana ny mpiadina intsony. Miisa 28.575 ny mpiadina hiatrika izany ho an’ity fari-piadidiam-pampianarana iray ity. Fito taona no zandriny indrindra, raha 33 taona kosa no zokiny indrindra. Efa tonga eny anivon’ny foibem-panadinana avokoa ny laza adina hatramin’ny omaly. Mandeha araka ny tokony ho izy ihany koa ny fivorian’ny tompon’andraikitra mialoha ny fanadinana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.