Actualités

CENIT Nivory voalohany omaly


  • Alarobia 07 Martsa 2012

Niatrika fivoriana voalohany omaly ireo mpikambana voatendry ao amin’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ato anatin’ny tetezamita CENIT.

 Fivoriana savaranonando ihany ity natao ity fa mbola miandry ny fampiantsoana avy amin’ny filohan’ny fitsarana tampony ny fivoriana ofisialy ataon’izy ireo. Tsy mbola manana filoha ihany koa ity rafitra vaovao ity, izay hahitana mpikambana miisa 24, saingy tsy mbola manana solontena ao aloha hatreto ny ankolafy Zafy Albert, ka ny zokiolona sy ny zandriolona amin’ireo mpikambana efa voatendry no nitarika ny fivoriana omaly. Fandaminan’asa amin’ny ankapobeny no nifanakalozana. Na izany aza dia anisan’ny nivoitra omaly fa dia amin’ny 16 martsa ho avy io no hanao ny fianianany ireo mpikambana ao amin’ny CENIT foibe ireto.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT