Actualités

CENIT Ihazakazahana izay ho Filohany


  • Talata 13 Martsa 2012

Vita omaly alatsinainy 12 martsa 2012 tao amin’ny fitsarana tampony Anosy ny lanonam-pitsarana nandraisana ny fianianan’ireo 22 mianadahy, mpikambana voatendry ao amin’ny Vaomieram-pirenana mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na ny CENIT.

 Handray ny asany ara-dalàna amin’izay izany izy ireo, aorian’ny fampiantsoana fivoriana voalohany hataon’ny filohan’ny fitsarana tampony hananganan’izy ireo ny birao vonjimaika sy hirosoana amin’ny fandrafetana ny tolotr’asa handraisana ny filatsahan-kofidian’ireo maniry te ho filohan’ny CENIT. Mandra-piandry izay dia ny zokiolona sy ny zandriolona avy amin’ireo mpikambana natolotry ny fiarahamonim-pirenena no mitarika vonjimaika. Raha miteraka resabe ny fanendrena ireo mpikambana 10 ao amin’ny CENIT avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, izay kianin’ny AOSC na vondron’ny fiarahamonim-pirenena ka tokony haverina, dia raikitra hazakazaka ho amin’ny toeran’ny Filohan’ny CENIT. Miady varotra ny administratera sivily mba ho avy amin’izy ireo no filoha eo. Mandeha anefa ny tsikera fa ampy nitsarana ny fitantanana fifidianana nataon’ny administratera sivily izay 50 taona izay, fa dia fifandirana politika miafara amin’ny krizy hatrany no naterany. Tsy mipetra-potsiny koa ny fiarahamonim-pirenana. Mandeha ny fandresen-dahatra etsy sy eroa.

Toerana roa rahateo no mbola misokatra, na ho an’ireo efa mpikambana voatendry na ho an’ny avy ety ivelany, dia ny toeran’ny filoha sy ny sekretera mpanatanteraka. Ireto mpikambana avy nanao fianianana omaly ireto no hifidy azy ireo. Raha avy ao anatiny no lany ho filoha, dia soloin’ny avy amin’ny vondrona na sendika nihaviany ny toerany, dia manao fianianana ity farany. Raha olona ivelany no voafidy, dia manao fianianana irery koa io. aorian’izay ny fananganana ny birao maharitra sy ny fandrafetana ny fitsipika anaty hifehy ny mpikambana ao amin’ny CENIT. Eo anetrahan’izao fihetsiketsehana samihafa izao dia betsaka ny ahiahy ny amin’izay ho fahaleovantena marin’ny CENIT amin’ny fanatanterahana ny asany. Marihina fa hatreto dia mbola banga ny toerana iray an’ny ankolafy Zafy ao amin’ity rafitra ity.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT