Hotanterahina anio tolakandro, mandritra ny lanonam-pitsarana hatao ao amin’ny Fitsarana tampony Anosy ny fianianan’ireo mpikambana voatendry handrafitra ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita na ny CENIT.
Miisa 24 ireo mpikambana handrafitra ny CENIT. Efa voatendry ny 22 amin’izy ireo. Anisan’ireo 11 nanao sonia ny tondrozotra ary manana anjara toerana iray ao ny ankolafy Zafy Albert, saingy tsy nanolotra anaran’olona hotendrena tamin’ny fotoana nanendrena ny mpikambana ao amin’ny CENIT ity. Misokatra kosa ny filatsahan-kodiana ho an’izay ho filoha hitarika ity vaomiera ity. Ifandroritana izy io amin’izao fotoana. Ry zareo efidraharahan’ny adiministratera sivily hatreto no hita ho miady varotra mafy hitantana ny CENIT. Ary mila ho isan’andro no andrenesana amin’ny haino aman-jery sy ahitana an-gazety ny fenon’izy ireo mikasika izany.
Ankilany dia aroson’izy ireo fa toerana tokony ho an’ny teknisianina io, andaniny indray koa ny filazana fa sady maro an’isa ao amin’ny CENIT ny adiministratera sivily no manana traikefa amin’ny fikarakarana fifidianana. Ny fisian’ity adivarotra be ity anefa dia vao mainka mampitombo ny ahiahy ny amin’izay ho fahaleovantenan’ny CENIT marina, hanampy trotraka ny fitsabahan’ny fiadidiana ny tetezamita tamin’ny fanendrena ireo mpikabana ao aminy, izay nitsipahana marin-drano an-dRalitera Andrianandraina, natolotry ny ministeran’ny fanapariaham-pahefana. Na mpanao politika, na olom-pirenena tsotra dia samy milaza fa avy amin’ny fifidianana hatrany no fototry ny krizy teto hatramin’izay. Ny ministeran’ny atitany no mpikarakara fifidianana teto, tao anatin’izay 50 taona izay, ary administratera sivily hatrany no nanankinana ny andraikitra tamin’izany. Koa ny ahiahy tsy ihavanana ny amin’io. Mikasika ny hoe tokony ho teknisianina no hitantana ny CENIT, mazava be fa ho mpamita iraka izy izany. Koa dia ho sarotra ihany no hinoana fa hanana fahaleovantenany io filoha teknisianina io eo am-panatanterahana ny andraikiny noho izy olona azo baikoina.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.