Fano Rakotondrazaka (l’express de Madagascar) no voafidy hisolotena ny mpanao gazety eo anivon’ny Cenit.
Lany tamin’ny isam-bato 139 ny tenany raha 114 kosa no vato azon’i James Ramaroson (la Gazette de la Grande Ile) laharana faharoa nanerana ny Nosy. Laharana fahatelo nahazo vato 39 i Liliane Andriambololona (TVM). 399 no isan’ny mpifidy raha 769 no voasoratra anarana. Tsy voafaritra mazava ny isan’ny mpifidy teto Analamanga raha nanontaniana ireo namana nikarakara ny latsa-bato (109 tamin’ny vaton’ny mpifidy 212 no azon’i Fano Rakotondrazaka raha 44 ny an’i James Ramaroson faharoa). I Libertos Tiandraza (RNM) no fahatelo teto Analamanga fa ny vaton’ny Faritra no nampiakatra ny an’i Liliane Andriambololona. Matanjaka ny kandidan’ny haino aman-jerim-panjakana any amin’ny Faritra satria maro olona ry zareo any. Nanamarika ny fifidianana omaly, ary mahamenatra imason’izao tontolo izao, ny tsy fahatomombanana tamin’ny fikarakarana ankapobeny ka maro ny mpanao gazety tsy afaka naneho ny safidiny nefa tonga nanara-maso teny Anosy.
Anisan’izany ny mpanao gazety rehetra teto amin’ny Tia Tanindrazana, Jejoo, Lakroa … ary ireo manoratra amin’ny tranonkala satria tsy nomen’ny ministera ny karatra “maha-matihanina” nefa efa nisy niasa nihoatra ny 15 taona ary efa in-droa farafahakeliny nahazo karatra matihanina ara-dalàna teo aloha. Sa tapitrohatra noho ireo komity mpandinika ny fanomezana karatra noho ireo taloha ireo tamin’iny taona 2011 iny ? Misy koa anefa ireo manana karatra saingy tsy tao anatin’ny lisitry ny mpifidy.
Mbola taratry ny tsy fahatomombanana ihany koa ny tsy nisian’ny fifidianana tao amin’ny faritr’i Betsiboka sy Melaky. Mbola fifidianana kely aty amin’ny mpanao gazety aza izany ary mbola amin’ny lalana vita tara avokoa nefa dia efa tsy tongan’ny lisi-pifidianana, mainka fa fifidianana hisian’ny toerana lavitra Andriana tsy asa fotsiny ???. “Hiezaka hisolotena ny mpanao gazety rehetra ny tenako ary hanao izay hahamendrika ahy amin’izany”, hoy i Fano Rakotondrazaka raha nandray fitenenana taorian’ny fahalaniany. Nambarany fa tsy manana fandaharanasa manokana izy satria efa voafaritra ny andraikitra hosahaniny. “Tsy hotapahana ny fifandraisana amin’ny namana rehetra satria mety misy hevitra tsara azo avy amin’ny fifanakalozana”, hoy izy. Voaporofo tokoa fa mila fanovana ity asa fanaovan-gazety ity ary ireny no azo ambara fa fanombohan’ny latsa-bato fanasaziana handikana ara-bakiteny ny (vote sanction) mbola hiseho marobe atsy ho atsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.