Actualités

Botozaza Pierrot Nitety boriborintany nizara fanampiana


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Ankoatra ny fizarana fanampiana dia nanolotra omby iray isaky ny Boroborintany hanaovan´ny vahoaka fety noho ny taona vaovao ny praiminisitra lefitra, Botozaza Pierrot, ny sabotsy teo.

 Niara-dia taminy ny talen´ny kabinetrany, izay lehiben´ny Faritra Atsinanana teo aloha, Andriamorasata Julien, nihaino ny hetaheta sy ny fangatahan´ny isam-pokontany. Ny voalohany dia ny tsy fisian´ny filaminana, ny faharoa dia ny tambin-karaman´ny fokontany izay angatahan´izy ireo ny hampitomboana azy araka ny fampiakarana ny karaman´ny mpiasam-panjakana, sy ny handoavana azy isam-bolana. Nilaza ny hitondra ny fangatahana eo anatrehan´ny filankevitry ny governemanta i Botozaza Pierrot.

Ny fahatelo dia mikasika ny fanarenana ireo Boriborintany, izay efa simba avokoa ireo trano fiasany, ary ny fanampiana ara-pitaovana samy hafa. Miandry ny tentim-bidin´ny asa ny praiminisitra lefitra mikasika izany. Ankoatra izay dia hita taratra tamin´izao dian´i Botozaza Pierrot tao Toamasina izao, ny antsojay politika sy ny teny midina ara-politika avy any ambony any, mibaiko ireo tompon´andraikitra sy ny ramatahora samy hafa, nefa lazaina fa fiaraha-mitantana no misy. Samy nahazo izany avokoa ireo lehiben´ny fokontany sy ny boriborintany tsy hiatrika ny hetsika rehetra, nefa teo ihany ny ireo tsy voasakana, ao kosa ireo natahotra ka namorona aretina ho azy.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT