Boriborintany Voalohany

> Nodiovin’ny kandida Marolleau Alberto ny tatatra


  • Talata 10 Desambra 2013

Tsy miandry ny maha tomponandraikitra ny asa fampandrosoana. Na dia mbola olom-pirenena tsotra aza ny kandida solombavambahoaka tsy miankina Marolleau Alberto mifaninana ao amin’ny Boriborintany voalohany dia tsy miraviravy tanana eo anatrehan’ny fahasahiranan’ny mponina.

Tao anatin’ny 20 andro izao dia tsy tapaka ny fanadiovany ireo tatatra fanarian-drano eo anivon’ity Distrika ity. Fahoriana ho an’ny mponina maro, indrindra amin’ny faritra iva tokoa mantsy ny fahavaratra toy izao satria eny am-baravarana ny rano vao mirotsaka ny orana. Tsy resahana intsony ny loto isan-karazany izay mampanahy ny fisian’ny valanaretina. Ankoatra izay dia fanomezana asa ihany koa izao hetsika sosialy izao. Olona an-jatony no karamaina manao ny asa izay sandaina vary 1 kilao isan’olona miampy vola 3.000 Ariary. Ny sabotsy lasa teo dia nandray an-tanana ny fanesorana ny fako teny Ankazomanga eo anilan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy koa ity kandida faha-20 ao amin’ny bileta tokana ity. Nilaza ny tenany fa tsy azo avela hiaina anaty loto ny vahoaka miaina amin’ireo Fokontany 44 ka na dia tsy asan’ny depiote aza no miantsoroka ireo asa ireo dia manatanteraka ny adidiny amin’ny fanasoavana ny vahoaka ny tenany.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT