Boriborintany II - Antananarivo Renivohitra

> Toerana be kandidŕ depiote indrindra manerana ny Nosy


  • Alakamisy 07 Novambra 2013

Manao tohivakana ny lanonana fitokanana sy fampahafantarana ny foiben-toeran’ny kandidŕ samihafa hifaninana amin’ny fifidianana ho solombavambahoaka amin’ny 20 desambra ho avy izao.

Ny fikambanana «Traka Milofo» manolotra ny lisitra tarihan-dRandriamiharisoa Andriamahery Lah.36 indray omaly no nampahafantatra ny azy teny Ambohipo. Fihavanana sy fandriampahalemana no tanjona apetraky ny fikambanana ka hampahafantarina ny mponina fa tsy hisy fampandrosoana vanona raha tsy eo ny fahavononan’izany mponina izany. Na izany aza dia efa nametrapetraka Randriamiharisoa Andriamahery fa ny asan’izany solombavambahoaka izany dia ny hamolavola ny lalàna hoentina hiasa hanasoavana ny firenena ary adidin’ny fikambanana izay tarihiko, hoy izy, ny hanentana ny olompirenena tsirairay handray anjara amin’ny fifidianana. Tsiahivina fa ao amin’ity Boriborintany faharoa eto Antananarivo Renivohitra ity no toerana ahitana mpifaninana be indrindra manerana ny Nosy amin’ity fifidianana ho solombavambahoaka taona 2013 ity. Miisa 39 izy ireo no hiady ny toerana roa, ka hikatsaka ny vaton’ny mpifidy miisa 88.976 voasoratra anarana any amin’ny biraom-pifidianana miisa 107.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT