Boriborintany faharoa

> Nisy taratasy fotsy tsotra tao anaty vata mangarahara


  • Alatsinainy 23 Desambra 2013


Nahagaga sy nahavariana ny maro tamin’ny fanisam-bato ny zoma 20 desambra teo ny nahitana taratasy fotsy tsotra izao tsy misy soratra n’inona n’inona tao anatin’ny vata mangarahara sasany, toy ny nitranga tamina birao fandatsaham-bato sasany teny amin’ny Boriborintany faharoa teto an-drenivohitra. Ohatran’ny tsy dia nampihontsona ny rehetra ny nahita izany tamin’io andro io fa dia samy nihiaka fotsiny hoe : ataovy vato maty, ataovy vato maty ny mpanotrona. Rehefa tena nandeha anefa ny resaka dia vaky am-batolampy fa nisy teti-dratsy fangalaram-bato tao anatin’ity fandrotsahana taratasy fotsy tao anay “urne” ity. Ny olona tonga voalohany nifidy tao amin’ny birao fandatsahambato no nitondra azy io ary nandatsaka azy tao fa ny biletà tokana nalainy dia nentiny nivoaka ny efitra fandatsaham-bato ka ny namany taty aoriana indray no nitondra azy io niverina rehefa voaisy marika teo amin’ny kandidàm-panjakana notohanany, ary dia nomena vola araka ny nifanaharana izay mitondra ny biletà tsy mbola misy marika ety ivelany tamin’izany. Tena hala-bato avo lenta izany nefa tsy avelan’ny fahamarinana tsy hiseho rehefa nokobokoboin’ny marina tao anaty fisotrosotroana fa nahazo vola ireo nanao ny “opération”.

 

Sammy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT