Hiavaka tsy toy ny isan-taona ny fankalazana ny 26 jona eny amin’ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina amin’ity indray mitoraka ity.
Hetsika maroloko no hatao amin’izany, hoy ny Delege Andriamananjezika Lantonirina Fehizoro. Hisy ny lalao ara-panatanjahantena toy ny tsipy kanetibe, basikety, tenisy ambony latabatra. Hisy koa ny hetsika ara-kolontsaina toy fanorona, karatra, fifaninanana kabary sy dihy mirindra, izay haseho ny tontolo andron’ny zoma 24 jona, ary hanasana ny ankizy 10 ka hatramin’ny 17 taona. Hisy amboara maro samihafa hatolotry ny mpikarakara amin’izany. Araka ny toromariky ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana dia tsy ho diso anjara ireo mpiara-miasa rehetra ao amin’ny Boriborintany faha-6 fa hisy fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana sy harendrina ho an’ireo ankizy. Nisaotra ireo mpiara-miombon’antoka izay nanao tan-tsoroka tamin’ny fanohanana izao hetsika izao ny delegen’ny Boriborintany sy ny mpiara-miasa aminy rehetra ho fampandrosoana an’Ambohimanarina.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.