Hatramin’ny 5 taona nijoroana izay ankalazaina fatratra ankehitriny, dia tsy nitsahatra amin’ny fanaovana asa soa (fanomezana tsy misy takalony) ny fikambanana Tamia na Tanora Miantsehatra tarihan’ny filohany Randriamahefa Benjamina.
Ka ny zoma faha-24 jona teo dia nahatsiaro indray ireo zokiolona sy kilonga teny amin’ny fokontany 3 dia Ambohidahy, Ambatokaranana ary Ambohimirary ao anatin’ny boriborintany faha-5 misy ny foiben’ny fikambanana ry zareo, mba hahafaan’izy ireo miatrika am-pilaminana fetim-pirenena Malagasy. Vary 2 kilao isan’olona sy harendrina ary fanomezana hafa no natolotra tamin’izany. Tsy nisy mpanohana ny nahazoana ireo fanomezana ireo tamin’ity indray mitoraka ity fa herim-po madiodion’ny mpikambana Tamia manontolo, hoy Atoa Benjamina. Mahatsiaro manana adidy amin’ny vahoaka izahay, hoy izy, noho ny fahatongavan’ny Asaramanitra. Ny faniriana, hoy ihany ity filohan’ny Tamia ity, dia aoka mba tsy ho fanomezana fe fanomezana amin’ny seho ivelany fotsiny izao hatolotra izao fa mba hisy fiantraikany marina any amin’ny fiainam-bahoaka tokoa izao atao izao ary aoka koa ianareo tolorana mba tsy hilaza ho tsy manana raha misy mangataka fa vao eo no nomena. Nofeheziny tamin’ny teny nalaina tao amin’ny Soratra Masina avy ao amin’ny Petera I toko faha-12 andininy faha-17 ny hetsika natao izay milaza hoe “ Manaja ny olona rehetra, tiavo ny rahalahy, matahora an’Andriamanitra, manaja ny mpanjaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.