Tsy nahazo rariny teo anatrehan’ny Filankevi-panjakana ny Alliance Voahary Gasy raha nitory ny fanjakana hanafoana ny didim-pitondrana iraisan’ny ministera mitondra ny laharana 38244/2009 tamin’ny 21 septambra 2009 izay manome fahalalahana manokana ny fanondranana hazo sarobidy tsy mbola nokasihana na efa nohajariana amin’ny ampahany.
Araka ny didim-pitsarana navoakany ny 23 novambra lasa teo dia nanambara ny filankevi-panjakana fa tsy misy antony tokony handinihana io didim-pitondrana io satria efa namoaka didim-panjakana mitondra ny laharana 2010-141 izay manolo azy ny fanjakana ny 24 martsa 2010. Ho an’ny Alliance Voahary Gasy anefa dia tsy mamaly vevively ny andrasana aminy ilay didim-panjakana izay tsy mamaritra mazava ny atao hoe hazo sarobidy sy izay karazana hazo azo aondrana na tsia. Tsy misy izany sokajina hazo sarobidy izany mantsy ny lalàna malagasy fa ny hazo manokana, ny hazo fampiasan’ny mpanao fanaka sy taozavatra ary koa ny hazo manandanja no voalazan’ny lalàna.
Na izany aza dia raisin’ity vovonana ity ho faneken’ny fanjakana ny tsy mampitombina ilay didim-pitondrana noraisina tamin’ny 21 septambra 2009 ny fivoahan’ilay didim-panjakana enim-bolana taty aoriana, izany hoe tsy ara-dalàna avokoa ny hazo sarobidy rehetra tao anatin’io fe-potoana io. Mandroso soso-kevitra ny fanangonana ny hazo noho izany ny Alliance Voahary Gasy ary tokony hovitaina amin’ity taona ity izany. Etsy andaniny dia midika io didim-panjakana io fa tsy ho azo intsony ny ampahan’ny vidin’ny andramena sy ny onitra tokony haloan’ny mpandraharaha mpanondrana nanomboka tamin’ny janoary 2009 raha ny fahitan’i Ndranto Razakamanarina avy ao amin’ity vovonana ity azy. Nambarany fa 50 tapitrisa eo ihany no niditra tamin’ny kitapom-bolam-panjakana tao anatin’io fe-potoana io raha tokony hahatratra 400 tapitrisa dolara izany. Ny 200 tapitrisa dolara amin’io no tetim-bidin’ireo hazo naondrana. 6.600 dolara vidin’ny bolabola iray ampitomboina ny 22.000 m3 izay hadiriny ampitomboina 1500 izay isan’ireo kaontenera naondrana no nahazoana io tarehimarika io. Onitra kosa ny 200 tapitrisa dolara ambiny. Araka izany dia very anjavony fotsiny izany ny 350 tapitrisa dolara. Marihina fa tafakatra avo 40 heny ny vidin’ny andramena raha vao miditra amin’ny tsena sinoa raha ilay 6600 dolara no ialany ao amin’ny seranan’i Toamasina. Milaza ny tsy hilefitra moa ity vovonana ity raha tsy tafaverina ireo volabe ireo.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.