Actualités

Boeing 737 - Air Mad Simba varavarana nefa hisidina


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Teo am-piomanana hisidina iny indrindra ny talata teo no tapaka ny “paummelle” manidy ny varavaran’ilay Boeing 737 an’ny kaompania Malagasy Air Madagascar, ka dia tsy afaka niainga ilay voromby.

 Araka ny re dia “steward” tsy mbola za-draharaha no niaraka tamin’ity boeing ity tamin’io. Mbola nisy mpandeha avy aty Antananarivo tokony haterina any Toliara anefa tao anatiny, rehefa avy nampidina ireo tokony hiala tao Tolagnaro. Nampahafantatra io olana teknika io, tamin’ny tao amin’ny seranana ny mpanamory. Taorian’izay dia nampidinina avokoa ny mpandeha rehetra tao anatiny satria tsy afaka hisidina ilay boeing. Nandrasana ny fahatongavan’ny boeing iray hafa tonga tamin’ny 11ora sy sasany, izay nitondra teknisianina roa hanamboatra ny varavaran’ilay tavela, ka nafindra tao ireo mpandeha tokony hihazo an’i Toliara. Niandry ny fahavitan’ilay varavarana kosa ireo mpandeha nandray fiaingana tao Tolagnaro hihazo an’Antananarivo.

Araka ny fantatra dia natao fotsiny aloha izay hikatonan’ny varavarana hahafahan’ilay boeing niainga, ny tolakandro, ka aty Antananarivo vao tena hamboarina. Ny sabotsy 10 martsa teo, mbola tao Tolagnaro ihany dia nipotsaka tampoka ihany koa ny “tuyau flexible” amin’ny tsindry hisatr’ilay “Air Force One” taloha, izay efa natolotry ny fanjakana hampiasain’ny Air Madagascar, tamin’ny fotoana nihantsonany tamin’ny seranam-piaramanidina iny. Voatery nijanona ora maromaro niandry fanamboarana ilay boeing vao tafainga ny tolakandro tamin’ny efatra ora tany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT