Actualités

BOA-Anosisoa Lasan'ny jiolahy ny vola tamin’ny gony


  • Talata 31 Janoary 2012

Tsy basy nipoaka, tsy olona naratra, tsy ra latsaka, ny vola be anefa nanjavona.

 Jiolahy dimy mitondra basy kalachnikov sady misaron-tava no nanafika ity banky eny Anosisoa ity omaly tokony tamin'ny 11 ora antoandro. Nitondra fiara 4x4 iray avy nalaina an-keriny teny Ankatso ireo jiolahy. Avy hatrany niditra tao anatin'ilay banky izy ireo vao tonga. Nisy tamin'izy ireo no nanao fanamiana miaramila. Norahonan'izy ireo tamin'ny basy ireo mpiandry sivily ilay banky ka tsy afa-nanao inona. Nisy zandary iray ihany koa mpiambina ny mpandraharaha amin'ny tobin-tsolika galana iray saika hanatitra vola tao saingy tsy afa-nanohitra ihany koa ilay zandary fa nijery fotsiny. Araka ny voalazan'ireo mponina teny amin'ny manodidina dia nikasa ny hanapoaka basy ihany ny tenany saingy tsy nety nipoaka izany. 15 minitra dia vita ny fanafihana ary tafatsoaka ireo jiolahy niaraka tamin'ny vola amin'ny gony izay heverina ho manodidina ny iray miliara ariary. Ny tompon'andraikitry ny banky BOA rahateo tsy nety nanome ny tena lelavola marina lasan'ireo jiolahy. Ny avy eo anivon'ny polisy kosa no nahafantarana fa tsy latsaky 170 tapitrisa ariary no vola lasan'ireo jiolahy ireo. Omaly ihany dia fantatra fa tany akaikin'ny Bianco Ambohibao no hita ilay fiara 4x4 nalain'ireo jiolahy ireo saingy efa tsy nisy tao intsony ireo jiolahy niaraka tamin'ireo vola tamin'ny gony.

G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT