Actualités

Bizna hafahafa Ny manangana ady indray no mitaky onitra


  • Zoma 23 Desambra 2011

Tao anaty toeram-pisotroana iray ao Esokaka Tolagnaro no nitrangan’ny disadisa ny sabotsy 17 desambra teo.

 Mba nanala azy tao amin’ity bar ity ny vazaha iray niaraka tamina lehilahy iray sy vehivavy iray. Teo am-pisotrosotroana indrindra ireto farany no nisy andian-tovolahy nanao be fiavy ary nanao vavabe nanangana ady tamin’ny iray trano. Raikitra ny rombo. Ilay vazaha no tena nokendrena. Nony maraina dia tovolahy iray no tonga nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana. Nolazainy fa very vola vahiny maromaro sy vola malagasy an-tapitrasany ary finday lafo vidy izy nandritra io rombo io. Mitaky onitra fito tapitrisa ariary amin’ilay vazaha ilay tovolahy. Nampanantsoina ny roa tonta niaraka tamin’ny tompon’ny bar. Raha natao ny fanadihadiana, hay te hikatramo sy hanararaotra an’ilay vazaha no tanjony. Dia lasa fihomehezana fotsiny. Na izany aza mitohy ny fanadihadiana. Fantatra anefa fa dia efa mpandrava hatrany Ilakaka tamin’ny fotoana nampalaza ny safira ity tovolahy ity, ary efa nisy mihitsy aza ny fotoana nikarohan’ny mpitandro ny filaminana azy.
Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT