Tovolahy maromaro any Ambatondrazaka no sendra mpianaka manao ity bizina hafa kely ity. Anisan’ny voafandrika tamin’izany ny tovolahy iray 20 taona mipetraka ao Betoloha Kaominina Ambandrika, Distrikan’Ambatondrazaka.
Monina ao amin’ny renivohitra Ambatondrazaka ireo mpianaka ireo ary asa an-tselika no fiveloman’izy ireo. Noho ny krizy anefa dia nitatra ny sain’izy mianaka ka lasa nanaovana bizina ny fitiavana. Mandeha miaraka matory amin’izay tovolahy fantany fa manam-bola sy mora rahonana razazavavy zanany, tonga hatrany amin’ny firaisana ara-nofo mihitsy ny fiarahana amin’izany. Nony aty aoriana milaza fa bevohoka ilay zazavavy ka tondroiny ho nahabevohoka azy avokoa ireo lehilahy rehetra niaraka taminy.
Manodidina ny 15 ireo tovolahy nambaran’ilay zazavavy fa nahabevohoka azy. Ny 10 lahy amin’ireo no efa voatazona ao amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ao Madiotsifafana fa ny dimy mbola karohina. Rehefa nampifanatrehana ny renin’ilay zazavavy sy ilay tovolahy avy any Betoloha dia nanambara fa raha omena 500.000 ariary izy mianaka dia hiravona ny raharaha. Olona tsy noterena fa sitrapo, avy eo indray toa tsy voafaritra mazava hoe iza amin’izy 15 lahy no nahabevohoka, hoy ny renin’ilay tovolahy koa nahoana izahay no handoa io volabe io. Efa tetika nomanina izao, hoy ny mpitandro ny filaminana iray izay niangavy tsy hotononina anarana satria izy 15 lahy izay voarohirohy ho rain-janak’io zazavavy io dia teren’ilay renin’ilay zazavavy handoa io vola io raha tsy izany dia hogadraina, hono. Miandrandra ny tena fandraisana andraikitra ataon’ny mpitandro ny filaminana manoloana ity raharaha ity ny fianakavian’ireo tovolahy izay voafatotry ny firaisana ara-nofo indray mandeha.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.