Ity trangan-javatra iray niseho tany Betania Toliara I ity no tonga amin’ny fitenenana malaza hoe : “mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no haringana”.
Nanararaotra ny fahoriana nianjady tamin’ny fianakaviana noho ny fahafatesan’ny anabaviny iraitampo aminy, ity tovolahy vao hiringiriny eo amin’ny fisandratam-piainana, ka nentin’ny fakampanahy nangalatra ny volamena efa ho 1kg mahery kely izay lova napetraky ny razamben-dry zareo ho an’ny fianakaviana ka tsy mba nisy sahy nikasikasika mihitsy. Tsy vitan’izay fa nofaohin-dranamana niaraka tamin’ity harembe ity koa ny vola rehetra azo tamin’ny famangiana manjo nataon’ny mpiara-belona. Tonga dia tany amin’ity tovolahy ity avy hatrany no nalehan’ny sain-drainy ho nahavita ny heloka satria efa nisy fahotana nataon-dranamana indray maka fa navotan’ny ranomason-dreniny izy. Iray volana katroka no nitadiavana azy ka tamin’ny alalan’ny telefaonina izay efa novonoiny tanteraka saingy voatsindry tampoka ary nandeha ho azy ka nahenoana ny resany sy ny sakaizany no nahafantarana fa ao Antsirabe no ivezivezen-dranamana ka dia nanaovana vela-pandrika matipaika ka azo soa aman-tsara. Ampaham-bola roa tapitrisa Ariary teo ho eo sisa tratra tany aminy fa efa laniny tamin’ny filibana ny ambiny. Tratra tsy nisy nanombinana kosa ilay volamena be. Ny tenan-drainy no niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana nisambotra an’ity tovolahy ity ary nitondra azy nifatotra rojovy nitodi-doha tany Toliara ka nampiditra azy avy hatrany any am-ponja.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.