Nisavorovoro ny mpifidy tao amin’ny birao fandatsaham-bato laharana faharoa tetsy Ambatobe Boriborintany faha5, nitrangan’izany koa tany Tanambao Sotema Mahajanga sy tao amin’ny CEG Betania Toliara nandritra ny latsa-bato natao omaly.
Mpifidy 100 mahery avy no tonga nifidy ary lasa nandeha avy eo fa tsy nanao sonia akory ny lisi-pifidianana. Ny teo amin’ny fifidianana solombavambahoaka no tena niharan’izany ka tsy nahafaly ireo kandidà ary tonga teny an-toerana mihitsy izy ireo nanadihady ny tena zava-misy marina. Tao Betania dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny kandidà depiote Pr Elimberaza Mandridake fa tsy hanaiky tsindry na hala-bato tonga eo fa hiady sy hiaro hatramin’ny farany ny tena safidim-bahoaka.
Tonga teo ihany koa ny mpanara-maso avy amin’ny OIF. Nanoloana ny savorovoro dia fanampahan-kevitra noraisin’ny CENI-T ny hanantsoana ireo olona hanao sonia, efa tamin’ny ora nandalovanay teny dia zara raha ampy 20 no nanatanteraka izany. Ny 84 ambiny kosa nanao sambo nilentika tany. Noho ny savorovoro dia nihatona nandritra ny 30 minitra ny fizotry ny fifidianana, hoy ny filohan’ny biraom-pifidianana.
Mbola tany Toliara ihany ary mbola tao amin’ny fokontany Betania saingy tamina birao-mpifidianana hafa dia mpianatry ny oniversite Maninday tokony hifidy any Mitsinjo Toliara II no nifidy tao amin’ity EPP ity, ka nahatonga korontana ihany koa. Olana hafa hita ihany koa dia misy olona manana kara-pifidianana nefa tsy ao anaty lisitra. Ny tonga mifidy mitondra kara-pifidianana nefa tsy misy kara-panondro. Biraom-pifidianana maromaro no nahitana izany. Na dia teo aza ireo voalaza ireo dia milamina amin’ny ankapobeny ny fizotry ny fifidianana eto Toliara. Samy mailo ny rehetra amin’ireo tranga voatanisa ireo ary samy vonona hiaro ny safidiny.
E.R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.