Rehefa nokarohina hatry ny ela dia fantatra fa lavon'ny mpitandro ny filaminana ny faran’ny herinandro teo iny, i Maromanana, lehiben'ny dahalo anisan'ny nanafika ilay fiara Bilo Malaza, tao Berenty-Beroroha, ny antoandron’ny 21 jona lasa teo,
izay nahafatesana mpandeha miisa 31 sy naharatrana olona tsy manan-tsiny 19. Nandritra ny fifandonana dia fito tamin'ireo naman’ity lehiben’ny dahalo ikoizana any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ity no tafaporitsaka, ary malaso roa hafa azo sambo-belona. Raha tsiahivina, avy ao Toliara hihazo ny distrikan’i Beroroha ity fiarabe mpitatitra olona sy entana ity no notifirin’ny dahalo teo amin’ny fihaonan-dalana mihazo an’i Beloha ny kodiaran’ilay taksiborosy ka latsaka tany anaty hantsana ary nivadika ambony ambany. Niliba avy eo ireo malaso naka ny vola sy ny entana tiany halaina.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.