Tao Toamasina niatrika ny fisokafan’ny taom-piasana sy taom-pitsarana 2014 ny praiminisitry ny firaisam-pirenena Atoa Beriziky Jean Omer, omaly.
Nambarany mazava fa hiverina hampianatra eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina sampana tantara efa notazoniny hatramin’izay ny tenany ary hiverina hipetraka ao Toamasina tahaka ny talohan’ny nanendrena azy ho praiminisitra. “Efa nisy ny resaka nifanaovako tamin’ny filohan’ny oniversite sy ny talen’ny departemanta tantara sy ny haisoratra ary ny teny mikasika izany, fa misy toerana ho ahy ao ary miverina amin’ny taranja nampianariko teo aloha ihany aho”, hoy i Beriziky Jean Omer. Nohamafisiny anefa fa “tsy ny maha praiminisitra, na toeram-boninahitra eo anivon’ny minisitera sy ny andrim-panjakana no atao hoe mamita adidy amin’ny tanindrazana, fa ny fampianarana ihany koa dia anisany satria mamolavola olom-banona hoavin’ny firenena rahatrizay sy ireo ho mpitantana ny firenena any aoriana”. Ho an’Atoa Beriziky Jean Omer dia afa-po tamin’ny asa nataon’ny governemanta notarihany ny tenany satria nahavita nitondra ny firenena tamin’ny fiverenana ao anatin’ny fanjakana tan-dalàna sy ao anatin’ny rafitra repoblikanina ary anatin’ny lalàmpanorenana tanteraka, tamin’ny nahavitana ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka. Na izany aza dia nitsotra izy fa tsy afa-po tamin’ny asa sasany natao ka ny lehibe amin’izany dia momba ny delestazy izay tena nampahory ny Malagasy sy anisan’ny nampirongatra ny tsy filaminana. Aoka ho anjaran’izay governemanta eo indray no hamita izay tsy vitanay izay. Tsy nanafina ihany koa Atoa Beriziky Jean Omer fa “betsaka loatra ny fingampingana sy ny fanipazana hoditra akondro nefa tonga amin’izao ihany isika noho ny ezaky ny tsirairay sy ny vahoaka Malagasy nahatoky ny asa nataonay”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.