Actualités

Ben´ny tanŕnan´Amboditandroroho Didim-pitondrana hafahafa no nampiatoana azy


  • Alarobia 14 Desambra 2011

Lasa resaka politika ny raharahan´ny Kaominina Amboditandroroho Toamasina II, satria niadivan´ny TGV ny Ben´ny tanŕna noho izy lazaina fa olon´ny TIM Ravalomanana.

 . Ny Kaominina rahateo manam-bola noho ireo vola ana miliara haba naloan’ny tetikasa Ambatovy tamin´ny fanorenana orinasa ao Tsararivotra Toamasina II. Tamin´ny fifidianana ny Ben´ny tanàna ny desambra 2007, dia anisan’ny mpanohana azy ireo lefiny roa, izay nasolo ny toeran´ny Ben´ny tanàna ankehitriny. Nandritra ny taona maro, ny lefitra voalohany sy ilay lefitra faha-02 dia tsy nisy namonjy firy ny birao fiasany mihitsy. Vokany, nisy ny fotoana nakan´ny ben´ny tanàna fanapahan-kevitra ny hanala azy ireo. Noho ny fandaminana nataon´ny lehiben´ny Distrikan´i Toamasina II ny raharaha anefa dia nilamina teny ny raharaha. Nivadika valifaty politika ilay izy ankehitriny.

Fisandohana andraikitra

 Ny fanapahan-kevitra araka ny fivoriana nataon´ny mpanolotsaina mitondra ny laharana 04/CC/AMB/2011 no nandraisana ny fepetra nampiatoana ny Ben´ny tanànan´Amboditandroroho. Io no nentin´ireo mpanolotsaina nankany amin´ny minisitry ny atitany, ary nandraisan’ity farany ny didim-pitondrana laharana 27.606/2011 ny 20 septambra 2011 ho fampiatoana azy tao anatin´ny iray volana. Raha nitarina ny fanadihadiana, ny hany hita mikasika io fanapahan´ny mpanolotsaina io sy mifanaraka amin´io laharana misy io, dia mikasika ny tambin-karama omena ny sefom-pokontany ihany. Vokany, misy fisandohana olona sy sonia tao izay nentina namitahana ny minisitra Rakotoarisoa Florent. Efa tonga eny anivon´ny fitsarana rahateo ny raharaha mikasika izany, satria tsy nahalala ny fisian’io koa ny filohan´ny mpanolotsaina, izay hany manana fahefana miantso fivoriana araka ny lalàna 94-008. Talohan´izay dia efa nisy koa ny fanadihadian´ireo inspektera laharana 1001-TVX/DIRIGE/A ny 20 jona 2011, ka izay no nanararaotin´ireto mpanolotsaina nanaovana ny halatra sonia sy fisandohana rehetra nataony.

Didim-pitondrana hafahafa

 Nivoaka koa ny didim-pitondrana faha-02 laharana 45.006 ny 15 novambra 2011, izay nanaovan´ny Sekretera jeneralin’ny ministeran´ny atitany, Rasolomaholy Rakotozanany Celestin, “ampliation”, fa efa voasonian´ny praiminisitra Beriziky Jean Omer ny didim-panjakana manohy ho telo volana ny fampiatoana amin’ny asany ny Ben´ny tanànan´Amboditandroroho. Mahagaga(?), satria izany datin´ny 15 novambra izany, dia tena ao anatin´ny fisavoritahana tamin´ny fandaminana ny fananganana ny governemanta ny praiminisitra sy ny mpiara-miasa aminy. Dia raharaha maika toy ny inona no nahadodona ny praiminisitra Beriziky nanao sonia io fanalavana ho telo volana fampiatoana ny Ben´ny tanànan´Amboditandroroho io, nefa fantatry ny praiminisitra sy ity sekretera jeneralin’ny ministeran´ny atitany ity tsara ny olan´ny Kaominin´i Toamasina renivohitra, nefa raha maika ihany ny an´ny hafa nahoana no tarazohana ny famahana ny eo anivon´ny kapitaly ekonomikan´i Madagasikara, ka tsy namoahana didy ihany koa ny mba hilaminany sy hahafahan´ny Kaominina miasa ara-dalàna.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT