Niavaka tanteraka ny fankalazana ny tsingerintaona faha-62 nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra omaly alatsinainy 12 desambra.
Hetsika tsotra nefa tena nanan-danja tokoa no nankalazan’ireo mpikambana teo anivon’ny Parlemantan’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana izany izay notarihin’Atoa Lanto Rabenatoandro ary notronin’ireo mpikambana rehetra voatendry tao anatin’ity ankolafy ity avy ao Vakinankaratra. Tao amin’ny Hotel des Thermes Antsirabe no nanatanterahana ny lanonana. Lohahevitra telo mazava tsara no nentin’ny Ankolafy Ravalomanana tamin’izao fankalazana ny fetin’i Dada izao dia ny fihaonana tamin’ireo Ben’ny tanàna noho izy ireo lany tamin’ny lisitra Tiako I Madagasikara ny ankamaroany ka efa ho telo taona no tsy nihaona tamin’ireto olom-boafidiny ireto noho ny krizy. Teo ihany koa ny fisehoana voalohany niaraka nataon’ireto olom-boatendry ireto tamin’ireo Ben’ny tanàna. Ary ny farany dia ny fankalazana ny fetin’i Dada.
Nisy, araka izany, ny fizarana nofonkena nitam-pihavanana niarahana tamin’ireo Ben’ny tanàna nanerana an’i Vakinankaratra ireo. Nandritra izany no niditra an-telefaonina nivantana ary nitafa tamin’ireto Ben’ny tanàna ireto ny filoha Marc Ravalomanana ka nilazany fa tsy tokony hatahotra intsony ny Ben’ny tanàna rehetra manerana an’i Madagasikara amin’ny maha olom-boafidy vodifahitra azy fa tokony hametraka fanamby amin’ny vahoaka amin’ny asa fampandrosoana mba hiainan’ny Malagasy, indrindra ny eny ifotony. Tsy tokony hisalasala ihany koa ny hiara-miasa amin’ny minisitra vaovao na dia teo aza ny fizarazaran-kevitra samihafa noho ny politika teo aloha. Ny ankehitriny sy ny ho avy no mila banjinina manomboka izao fa tsy hifampitsara fotsiny amin’ny lasa izay tsy hampandroso akory.
Nisy moa ny fifanakalozan-kevitra nifanaovan’ireto olom-boafidy Ben’ny tanàna ireto tamin’ireo minisitra mirahavavy dia Rtoa Olga Ramalason sy Ruffune Tsiranana izay samy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ireo olom-boatendry, CST sy CT ireto ny amin’izay hisian’ny fiaraha-miasa amin’izao fitondrana tetezamita izao mba hiteraka fampandrosoana eny ifotony. Ny CST Lanto Rabenatoandro dia nahitsy raha niteny teo imason’ny Minisitry ny fanapariaham-pahefana izay nanotrona ity fotoana ity nilaza sy nitaky tamin’Atoa Razanakolona Paul lehiben’ny faritra Vakinankaratra, anisan’ny nanotrona, ny mba hamerenana tsy misy hatak’andro ny mpanolotsaim-paritra rehetra mba hisian’ny mangarahara amin’ny fitantanan-draharaha ao amin’io Faritra io. Tsy mbola nisy didy fanafoanana azy ireo navoakan’ny fanjakana kanefa dia notsipahin’ireo mpitondra ny FAT fotsiny izy ireo. Rehefa nanontaniana ny mahakasika izay moa ny minisitra Ruffine Tsiranana dia nilaza fa tsy mbola nisy ny azo ambara ny amin’izay. Hojereny akaiky ihany koa ny fitantanana ny Faritra. Mitohy aloha ny asa rehetra ary efa am-periny tanteraka izy sy ny ekipany amin’izao fotoana.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.