Actualités

Behoririka Tsy nisy nivarotra ny Sinoa, iray sisa voatanan'ny polisy


  • Alakamisy 24 Novambra 2011

Ny iray tamin'ireo sinoa telo sisa no notanan'ny polisy misahana ny heloka bevava omaly.

 Araka ny tsiliantsofina dia notanana ihany koa afak'omaly ny mpampiasa ilay Sinoa voalaza fa namono ilay Malagasy mpiasany. Nosamborina niaraka tamin'izy ireo ihany koa ny rahalahiny izay nanoro izay misy ilay Sinoa nandratra tany Ampitatafika. Taorian'ny famotorana natao azy ireo anefa dia nilaza ilay Sinoa tena nandratra ilay Malagasy fa izy irery ihany no namono ilay mpiasa. Tsy misy idiran'ny mpampiasa azy ilay famonoana araka ny nambarany teo anoloan'ny polisy. Tahaka izay ihany koa ny rahalahiny. Noho izany dia navotsotry ny polisy avokoa izy roalahy ireo.

Mbola mitohy kosa hatry ny omaly ny famotorana mikasika ity raharaha ity ary araka ny fantatra dia anio no hatolotra ny Fampanoavana ity teratany sinoa ity. Niaiky izy fa nikasi-tanana ilay mpiasany saingy nolazainy fa nangalatra entana io mpiasany io ka izay no nahatonga ny fifampikasihan-tanana. Na ny tompon’andraikitra eo anivon'ny masoivohon'i Sina aza dia niaiky fa tomponandraikitra tanteraka amin'ny zavatra nataony ny tsirairay. Omaly dia mbola samy hendratrendratra be ihany teny Behoririka, mbola nikatona avokoa ireo toeram-pivarotana sinoa, na nihaodihaody teny an-toerana aza ny mpitandro filaminana.
G.T

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • Elia Rabevahiny
  • Alarobia 06 Mey 2026

«Finiavana politika ihany

  • Manomboka mipoitra
  • Alarobia 06 Mey 2026

ireo nisitrika sy nitsoaka

Hijery ny tohiny
FTT