Leo ny tsindrihazolena ataon'ny teratany Sinoa eny Behoririka ireo mpiasa.
Omaly dia mpiasa lehilahy gasy iray sy vehivavy gasy iray indray no lasibatr’izy ireo. Nisy mantsy ny “inventaire” nataon'ilay Sinoa tamin'ireo entana tao amin'ny fivarotana iray. Avy hatrany dia nodakadakan'ilay Sinoa mpampiasa izay antsoina hoe Bota ilay lehilahy gasy. Nanatona niangavy fanazavana tamin'ilay Sinoa ny anabavin'ilay lehilahy izay mpiasa tao aminy ihany saingy voan'ny tehamaina mandrivorivo koa. Nentina teny amin'ny hopitaly Hjra ny naratra. Nisy roa izy ireo, ny faharoa voan’ny pitiky ny grenady teo amin’ny tavany, raha ny fanazavan’ny jeneraly Ravalomanana Richard. Ity farany izay nilaza fa efa afaka namonjy fodiana avokoa izy ireo rehefa nahazo fitsaboana sahaza. Ankoatra ireo anefa dia fantatra fa nisy mpiambina iray naratra teo amin’ny lohany ihany koa nandritra ny savorovoro tao amin’io toeram-pivarotana Sinoa io, ka nanatona ny Ostie Behoririka hotsaboina. Niteraka korontana teny Behoririka, Soarano, Tsiazotafo ary hatrany Isotry ity resaka ity omaly, satria niely koa ny feo fa nisy maty. Nanomboka tamin'ny 11 ora maraina no nitrangan'izany ary nikatoana avokoa ny mpivarotra rehetra tamin'ireo toerana ireo, noho ny feo niely fa misy mitady handroba. Nisy fivarotana kiraro efa nisy namaky rahateo ny varavarany, raha ny fanazavan’ny jeneraly Ravalomanana hatrany.
Hatry ny omaly alina tokony ho tamin'ny 8 ora vao nilamindamina ny teny Behoririka. Vahoaka maro no tonga teny an-toerana tsy manaiky intsony ny tsindrihazolena ataon'ny Sinoa eny Behoririka. Miverimberina loatra mantsy izany araka ny fantatra teny an-toerana omaly. Ny teny Isotry omaly tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany hariva dia nisy teratany sinoa iray nandeha fiara. Avy hatrany dia nisy namoaka tao anatin'ilay fiara ilay Sinoa ka nodarodarohan'ny olona. Naratra mafy izy araka izany. Ilay Sinoa nandratra olona teny Behoririka kosa dia fantatra fa efa vaosambotry ny mpitandro ny filaminana tany an-tranony ka atao famotorana eny amin'ny polisy misahana ny heloka bevava. Raha izao no mitohy dia ho sarotra ho an'ny teratany Sinoa ny hiaina an-kalalahana eto Madagasikara. Omaly ihany dia efa namoaka fanambarana ny teo anivon’ny masoivoho Sinoa manameloka ny fihetsika nataon’ity terataniny nandratra mpiasa ity ary milaza ny handray an-tanana ireo maratra.
Solonirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.