Olona roa no indray naratra vokatry ny tifitra nataon’ny miaramila iray tetsy Behoririka ny alin’ny talata hifoha alarobia teo.
Manodidina ny tamin’ny sivy ora alina dia nisy ny fifamaliana teo amin’ny mpiambina ny orinasa mpaninjara toaka iray eo an-toerana sy ny miaramila izay miaro iny manodidina iny. Raha ny vaovao azo dia efa somary nisotrosotro ireo mpitandro ny filaminana ireo. Tampotampoka teo dia nirefotra ny basy. Ny mpiambina iray voa teo amn’ny tanany. Ilay faharoa kosa teo amin’ny sofiny. Io faharoa io indray dia voalaza fa olon’ny orinasa mpiandraikitra fiambenana (sécurité civile).
Nentina teny amin’ny hopitaly haingana ireo naratra. Ireo nahita kosa dia niangaviana mba tsy hiteniteny satria matahotra ny miaramila. Ny mpamosavy mandeha alina aza, hono, anefa misy mahita. Ny polisy miandraikitra ny fiarovana an’iny Boriborintany fahadimy izay misy an’i Behoririka iny koa dia nilaza fa tsy nahazo tatitra momba ny fisian’ilay tifi-tra. Mazava izany satria norahonana ny olona tsy hiteny na inona na inona hany ka na ny polisy aza dia tsy nahafantatra ny zava-misy. Ity indray dia tsy vokatry ny fiparitahan’ny basy intsony fa vokatry ny fanaparam-pahefana diso tafahoatra. Asa raha mba hisy indray ny fandraisana andraikitry ny tafika manoloana ny toe-javatra mamohehatra toy izao
G.T
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.