Behoririka

> Sinoa maty tsy tra-drano voatifitra teo amin’ny lohany


  • Alatsinainy 16 Desambra 2013

Halatra fiara niafara tamin’ny fandatsahan’aina ! Izay no nitranga teny Behoririka omaly antoandro.

Lasibatra tamin’izany ny teratany sinoa lahy iray, izay maty tsy tra-drano rehefa notifirin’ny jiolahy telo nitondra basy kalaky sy poleta teo amin’ny lohany. Saika hangalatra fiara “sprinter” an’ilay Sinoa ireto jiolahy ireto. Manana tranombarotra iray lehibe ao Behoririka ity sinoa maty ity. Avy nanatitra entana tamin’ny fiara tao amin’ny trano fitehirizan’entana izy mivady no sendra ireto jiolahy ireto raha hody eny Ivato nitondra fiara Sprinter. Teo amin’ny ranomaimbo Behoririka no nitranga ny fanafihana. Notifirin’ireo jiolahy teo amin’ny lohany avy hatrany ilay sinoa lahy, ny vadiny kosa norarafan’izy ireo tamin’ny «big boss». Niditra tao anaty fiara ireo jiolahy ka nikasa hitondra ny fiara handeha hitsoaka, saingy tonga tampoka ny fianakavian’ilay niharam-boina ka nitsoaka izy ireo ary najanony teo ny fiara. Nentin-dry zalahy nitsoaka ny fanalahidin’ny fiara, raha tavela tao anaty fiara kosa ny basy PA iray an’ireo jiolahy. Nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana satria nisy faty olona. Ny polisy siantifika no mandray an-tanana ny raharaha.

 

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT