Befotaka

> Fehezin’ny ekipan-dRemenabila ny tanŕna


  • Alatsinainy 10 Febroary 2014


Noho ny tsy fahampian’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny Distrikan’i Befotaka dia migalabona ny dahalo ary izy ireo indray aza amin’izao no mampihatra ny lalàna sy misambotra olona ary manasazy sy manao fisavana, raha ny fanazavan’ny mpitondra fivavahana iray lasibatry ny malaso tany an-toerana. Nambaran’ity pastora ity izay hanairana ny sain’ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa ny dahalo ekipan-dRemenabila no mamehy sy tompon’ny tanàna amin’izao, ka mandry andriran’atsy ny vahoaka manoloana izany, tsy afa-mamokatra intsony. Amin’izao ora anoratanay izao dia tafakatra 900 Ariary ny kapoakan’ny fitsimbary izay mbola ifampitadiavana.

Any amin’ny Kaominina Beharena dia tsy vitan’ny mandroba fananana fotsiny, fa mamono mihitsy ireo dahalo. Misoloky ho mpitandro filaminana manao fanamiana ara-dalàna ihany koa ireo olon-dratsy miaraka amin’ny basy, mampihorohoro eran’ny tanàna. Teren’ireo olon-dratsy tsy mahazo mivoaka amin’ny alina ny mponina ka migalabona ireo malaso amin’ny asa ratsy. Manoloana izany dia mangataka ny mponina any an-toerana amin’ny hametrahana tobina miaramila “kaompania” satria rehefa lasa ireo tafika manao fisafoana sy fampandrian-tany dia miverina manohy ny asa ratsiny ny malaso.

 

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT