Befandriana Avaratra

> Nirehitra ny tsena, entana mitentina 1 miliara may kila


  • Alatsinainy 30 Septambra 2013


Nitrangana hain-trano goavana tao an-tampon-tanànan’i Befandriana Avaratra, Faritra Sofia omaly antoandro. Nirehitra ny tsenan’Analakely. Fipoahan-javatra tamina trano iray, izay narahina fofona mahery, no voalaza niantombohan’ny afo. Saika vita amin’ny fanitso ny toeram-pivarotana ao amin’ity tsena ity, izay sady toeram-ponenana ihany koa. Trano 80 tafo tany no indray kila. Nananosarotra ny famonoana ny afo, tsy misy sampana mpamonjy voina ao an-toerana, ny andro rahateo alahady betsaka ny olona tsy tao an-trano, nisy mbola tany am-piangonana tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Naharitra ora roa sy sasany vao voafehy ny afo. Lasa lavenona tamin’izany ny entana mitentim-bidy any amin’ny iray miliara Ariary miampy lelavola 60 tapitrisa Ariary.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mahay ny mpianatra Malagasy
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

« Sachet » plastika ho

  • Fiatrehana
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

ny mety ho loza indostrialy

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

Hijery ny tohiny
FTT