Actualités

BC Anosy Nitontonan’ny olona ambony Israelianina


  • Zoma 27 Janoary 2012

Omaly dia tonga teny amin’ny BC Anosy ny Consul Général-i Israely ao Kenya.

 Araka ny fantatra dia tsy nanaiky ity tompon’andraikitra ambony Israelianina ity raha tsy nifanatri-tava tamin’i Joseph Akiva ilay nosamborin’ny DST teny amin’ny Carlton tamin’ny 20 janoary teo, ary tondroina ho mersenera. Araka ny loharanom-baovao dia malaza amin’ny tsy fanajana zon’olombelona loatra ny FAT ka izay no antony nahatonga ity olona ambony ity tonga eto Madagasikara mihitsy afak’omaly alina. Karazany nanery ireo polisy ity Consul ity teny amin’ny BC omaly.

Nolazainy fa tsy maintsy atao faran’izay haingana ny fanolorana ity teratany Israelianina ity amin’ny fitsarana. Tsy manaiky ihany koa izy raha tsy averina jerena eny amin’ny tobim-pahasalamana lehibe ny fahasalaman’i Joseph Akiva raha toa ka mitaraina marary izy. Nanome lesona tamin’ireo polisy ihany koa ny Consul nilazany fa na inona na inona antony hitazonana olona iray dia tokony hohajaina hatrany ny zon’olombelona. Ny alatsinainy izao no fantatra fa hatolotra ny Fitsarana i Joseph Akiva. Tsy hita kosa ilay teratany Israelianina nolazaina fa mersenera ihany koa niaraka tamin’i Joseph Akiva.

Solo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Mpitsara misahana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny ady amin’ny kolikoly

  • Mihatsara ve ny fiainany ?
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy azo lavina fa misy

  • Fiarovana
  • Talata 06 Oktobra 2026

ny tontolo iainana

  • BANKY
  • Talata 06 Oktobra 2026

SIPEM SY NY SOLIDIS

  • Recrutement"
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

eo anivon'ny METFP

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

ANTANETIBE MAHAZAZA

Hijery ny tohiny
FTT