Namoahan’ny fitsarana didy fisamborana ilay vehivavy teratany frantsay tompon’ilay kaontenera feno fitaovam-piadiana tratra tany Nosy-Be ny zoma 24 jona teo.
Basim-borona miisa 18 sy bala miisa 65.041, miampy poleta miisa 3 no sarona nandritry ny fisafoana tao amin’ny seranan-tsambon’i Nosy-Be. Niainga avy any le Havre (Frantsa) ilay kaontenera, ary ny alatsinainy 20 jona 2016 no tonga tao amin’ny seranana. Nisy loharanom-baovao avy amin’ny olon-tsotra azon’ny mpitandro ny filaminana nampandre ny fisiana zavatra mampiahiahy amin’ireo kaontenera tonga ao amin’ny seranana. Nifarimbona nanao fisavana ny ladoany sy ny zandary ary ny polisy, ka tamin’izany no nahatrarana ireo fitaovam-piadiana io zoma io.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.