Voatery nampidirina hopitaly tetsy amin’ny Mpitsabo Mikambana Ampasanimalo eto Antananarivo ny alatsinainy 30 desambra teo i Barinjaka, ilay mpihira malaza ankehitriny manerana ny Nosy.
Araka ny nambaran’i Mamihaja “manager”-ny izay nanaraka azy manokana ka azo nifampiresahana tao amin’ity hopitaly tsy miankina ity dia efa tamin’ny andron’ny Krismasy ny 25 desambra i Barinjaka no efa tsy dia netinety loatra raha nanohy ny fampisehoana nataony tany amin’iny Faritra Atsinanan’ny Nosy iny fa ny 29 desambra no nihombo ny fahavoazana raha avy nanatanteraka ny lanonana tao Ampasimbe Fenoarivo Atsinanana izy ka nentina niakatra haingana taty Antananarivo hotsaboina. Foana, araka izany, ny fifanarahana tokony ho nanaovan’ny tarika lanonan’ny “reveillon” tany Vavatenina ny alin’ny 31 desambra sy ny fampisehoana tokony hatao any Mananara Avaratra amin’ity andron’ny 2 janoary 2014 ity ary koa ny any Maroantsetra manaraka izay. Voatery hiala sasatra mandritra ny iray volana i Barinjaka taorian’ny fivoahany ny hopitaly, ny 31 desambra ihany, ary mety hiampita ranomasina mihitsy amin’izany raha ny fanazavana azo. Efa tafiditra anaty ran’ny any ambanivolo rehetra ankehitriny ny fihainoana ny hiran’i Barinjaka izay mora nalaza noho ny fihetsika nataony tamin’ny fitoriana ny fiainana an-davanandro tany rehetra tany. Nitafy lambahoany sy nanao sôrta ary tsy nikararo raha niseho tany ambanivolo toa an’Ankaramena Ambalavao tany niaviany sy tamin’iny Faritra Matsiatra Ambony rehetra iny efa nanomboka ny taona 2007. Ny taona 2011-2012 no nanomboka nalaza teto Antananarivo i Barinjaka ary nitatra manerana an’i Madagasikara izany tamin’iny taona 2013 nivalona iny. Mampanantena fiarahana tsaratsara kokoa hatrany amin’ny mpankafy izahay amin’ny taona 2014, hoy i Mamihaja ka miarahaba sahady ny vahoaka Malagasy nahatratra ny taona vaovao ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.