“Nekenay ary tsy lavinay ny fanambarana nataonay ny zoma lasa teo. Tsy anisan’ny nanao ny sonia ny fifanarahana ny alahady tolakandro kosa izahay noho ny fahatsapanay fa nisy fifanarahana tsy notanterahina tao, ary tsy nisy ny fifampidinihina nialoha ny famoahana ilay fifanarahana.”.
Izay no nambaran´ireo mpianatra avy amin´ny Grand Sud nihaona tamin’ny mpanao gazety tao Toamasina, omaly antoandro. Nomarihin´izy ireo hatrany fa nataony ny fanakatonana birao sy ny departemanta tao Barikadimy ny talata maraina, ho fanairana ny minisitra sy ny fanjakana, fa misy zavatra nifanarahana nefa tsy tanteraka tao. “Tsy fatim-biby akory ny namanay maty ka adinoiny”, hoy izy ireo. Mahatsapa koa ireto mpianatra avy amin’ny Grand Sud ireto fa toa izy manana ny naratra sy ny maty indray no disoan’ny fanjakana. “Tsy hoe tsy te-hianatra izahay, tsy ekenay koa ny taona fotsy izany, fa tokony ho ny fifanarahana handaminana ny olana tsy hiverenany intsony no nataon´ny minisitra, fa tsy maika ny hanokatra ny oniversite fotsiny”, hoy izy ireo. Nanamafy ny fangatahany ireto mpianatra ireto, dia ny hananganana vaomiera hanao fanadihadiana hamantarana izay nahavanona ny heloka, ka hitondra ny raharaha eo anivon´ny fitsarana.
Takian’izy ireo koa ny fanalana izay tompon´andraikitra tsy nandray ny andraikiny raha nitranga ny olana ary fanaovana fomban-drazana Malagasy. Hanohizana indray ny fihavanana tapaka, hono, ireny famonoan´olona nitranga tao Barikadimy ireny. Mpanabe iray tafaresaka taminay koa no nilaza fa “diso hevitra ny minisitra Zafera raha hampilamina ny olana ao Barikadimy iny fifanarahana natao sonia iny. Tsy nasiana resaka mihitsy ny tena famahana ny olana, fa nosafoina fotsiny”. Nomarihany hatrany fa na ireo mpanabe hampianatra aza dia hatahotra lalandava, satria izay hiditra voalohany hampianatra eo, dia tsy maintsy ho fahavalon´ireo mpianatra.
Rakoutou
ENCADRÉ
Ireto Grand Sud ireto dia nahitana ny Mpifato, Menabe, Ajura, Mpibato, Fami ho an´i Toliara ary Mpizami, V7V, Fizafaito, Fitaza, Grands sud-est, mpifaba ho an´i Fianarantsoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.