Actualités

Barack Obama Nirary soa ny mpino Silamo Malagasy


  • Alakamisy 07 Jolay 2016

Nahatsiaro manokana ny mpino Silamo eto Madagasikara noho ny fifaranan’ny Ramadany omaly ny filoha Amerikanina Barack Hussein Obama ka nanambara fa : “amin’ny anaran’ny vahoaka Amerikanina, no irariako sy Michelle soa ho an’ireo silamo malagasy noho ny fankalazana ny Eid al-Fitr.

Ny Ramadan dia fotoana iray ho an’ny silamo maneran-tany ary ao anatin’izany ny silamo amerikanina ahafahana miombom-peo amin’ny fanolorantena, ny fanasoavana ny hafa ary ny asa soa. Fotoana iray io hosokafan’ny moske, ny foibe ara-kolontsaina, ny tranom-panjakana ary ireo toerana iraisam-pinoana amin’ireo mpiara-monina sy ireo sahirana hifampizarana ny sakafo Iftar ary hiresahana ny soa iombonana sy ny fifanajana. Na dia fotoana fohy ihany aza dia manan-danja tokoa ny Ramadan satria ahafahana mandinika ny lanjan’ny maha olombelona sy ny fahafoizan-tena ary ny fandriampahalemana. Hitondra soa sy fahombiazana anie ity taona vaovao ity. Eid Mubarak”.

RHR

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • RAISSA RAZAIVOLA
  • Talata 03 Novambra 2026

Tazonina eny Fiadanana

  • 160 taona
  • Talata 03 Novambra 2026

nisian’ny gazety malagasy

  • Voasambotra noho
  • Talata 03 Novambra 2026

ny afera Kolonely Patrick

  • Diplaomasia,
  • Talata 03 Novambra 2026

fambolena, VISA,...

  • TSARAHONENANA
  • Talata 03 Novambra 2026

BEFANDRIANA

  • Tanànan'Antananarivo Renivohitra
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Mila fanapahan-kevitra politika

Hijery ny tohiny
FTT