Naato ny fitokonana ary dia niverina niasa avokoa ireo mpiasan’ny banky foiben’i Madagasikara nanomboka omaly talata 28 febroary.
Mandinika ny tokony hatao ireo tompon’andraikitra ary nikaroka ny nahatonga marina ny fitokonana. Nanamafy moa, io omaly io, ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny vola sy ny fitantanam-bola Rtoa Vonintsalama Andriambololona, fa dia miasa ny 100% ny mpiasa eny Antaninarenina eny, tsy misy intsony ny migrevy. Nomarihany ihany koa fa na dia teo aza ny fitokonana, teo aloha kely teo, dia efa nisy ny fepetra tsy maintsy noraisina mba hampilamina ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny asa fanao rehetra ao amin’ny banky foibe. Tsy tokony hikorapaka, araka izany, ireo rehetra manan-draharaha ao amin’ny BCM. Na izany aza anefa dia tsy tena hoe milamina tanteraka ity raharaha ity, satria mbola nisy ny fitoriana sy fangataham-panazavana nalefan’ireo mpiasa mitokona eny amin’ny filankevi-panjakana. Ny fototry ny olana sy ny fifanolanana moa dia ny fanesorana ny governora sy ny fomba nanendrena ny mpisolo toerana vonjimaika azy.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.